Lasibatry ny fanafihana ny mpanao Cash point iray teny Ivato, omaly maraina.
Vola 3 tapitrisa Ar no nalain’ireo mpanao ratsy an-keriny. Voasambotry ny fokonolona kosa ny jiolahy iray.
Voasambotry ny fokonolona ny iray tamin’ireo jiolahy roa nandroba mpanao Cash point, teny amin’ny kaominina Ivato, omaly maraina, tamin’ny 7 ora. Mpiasa amin’ny toerana fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday tsy lavitry ny INPF no lasibatry ny asa ratsin’io mpandroba io, omaly. Nitondra vola manodidina ny 3 tapitrisa Ar sy finday fampiasany ilay mpanao Cash point. Ahina ho niandry kendry tohina an’io olona lasibatra io ireo mpanao ratsy. Nanao saron-tava ny iray tamin’ireo jiolahy. Tsy nisy alaharo, nanery avy hatrany an’ilay ramatoa hanome ny vola rehetra teny aminy ireo jiolahy. Nanda ary niezaka nanohitra ilay tratry ny fanendahana. Nitondra sakay anefa ireo olon-dratsy ka nofafazan’izy ireo tamin’izany ilay mpanao Cash point. Nalain’ ireo mpandroba ny vola teny aminy ary nandositra ireo mpanao ratsy. Tetsy ankilany, nahare ny antso vonjy nataon’ny lasibatra ireo mponina eny an-toerana. Nahita ny zava-nisy rahateo izy ireo ka raikitra ny fanenjehana ireo tsy mataho-tody. Tsy lasa alavitra ny iray ary tratran’ny fokonolona.
Voadaroka
Nanampatra ny hatezerany tamin’ny iray tamin’ireo jiolahy izay voasambotra ny mponina nahasambotra azy. Nodarohan’izy ireo ary notereny hitoroka ny namany. Tezitra noho ny asa ratsy ataon’ireo olon-tsy fantatra eny amin’ny tanànan’izy ireo rahateo ny fokonolona. Nisy tamin’ireo nanatri-maso no efa nandrisika ireo vatan-dehilahy handoro an’io jiolahy io. Nifampitadiavana ilay jiolahy faharoa saingy tafaporitsaka. Natolotra ny manam-pahefana kosa ilay voasambotra. Miroso amin’ny famotorana ny mpitandro filaminana ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela io lehilahy io.
Tsiferana R.




