Nanomboka ny alatsinainy teo ny fiofanana « Cours des dirigeants sportifs », izay ahitana mpiofana 24 mianadahy. Mampiavaka ity andiany faha-21 ity ny hamaroan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena, izay miisa 8. Anisan’ny manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fahafantarana izany fitantanana ny fanatanjahantena izany ny mpanao gazety ka rariny raha manaraka fiofanana. Ankoatra izay, manana solontena miatrika izany koa ny taranja maro, toy ny volley-ball, basikety, judo, badminton, tolona. Misahana ny fanatanterahana ny fampiofanana, ho an’i Madagasikara, ny Komity olympika Malagasy. Mahazo taratasy fanamarinana avy amin’ny Komity iraisam-pirenena Olympika (CIO) ireo mpiofana aorian’ ny 3 andro hanatanterahina izany.
Tsiahivina, nanomboka ny taona 2017 ity « Cours des dirigeants sportifs » ity ary efa an-jatony no nahavita izany raha ny teto Madagasikara. Afaka manohy ny Cams (Cours avancé en management du sport) hatramin’ny Memos ihany koa ireo mahafeno ny fepetra aorian’izao, izay marihina fa mbola vitsy ny Malagasy manana ity mari-pahaizana ity, hatreto. Tanjona ho an’izao fampiofanana izao ny fampivoarana ny fitantanana ny fanatanjahantena eto Madagasikara sy hahafantarana ny lalàna mifehy izany, raha ny fanazavan’ny mpampiofana.
Mi.Raz




