Foana tanteraka ny delestazy ao an-tampon-tanànan’i Toliara. Mandeha araka ny tokony ho izy ny famatsiana herinaratra any an-toerana, vatsian’ny orinasa Enelec. Mahatratra 4,2 MW isan’andro ny filan’ny mpanjifa ao Toliara, ary tafakatra 8,5 MW amin’ny hariva. Araka ny fifanarahan’ny Enelec, ao anatin’ny vondrona Filatex, amin’ny fanjakana, herinaratra 9,9 MW no vokariny, ampidirina anaty tambajotram-pitsinjarana Jirama. Tafakatra 12,1 MW, ankehitriny, ny vokatra, manome antoka ny famatsiana ny tanàna iray manontolo, mamaly ny filan’ny mponina sy ny orinasa any an-toerana.
Mamokatra herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro ihany koa ny Enelec. Efa miasa ity fotodrafitrasa ity, mamokatra 3,9 MW ary mbola eo am-panitarana ihany koa. Tombontsoa lehibe azo aminy ny fampiarahana ny vokatra amin’ny herinaratra vokarin’ny gropy mandeha amin’ny solika. Araka ny antontanisan’ny teknisianina, ahafahan’ny Jirama mitahiry hatrany amin’ny 1 miliara Ar isan-taona ny vokatra herinaratra 1 MW avy amin’ny herin’ny masoandro.
Njaka A.




