SOMBIM-BAOVAO

Nitsidika an’i Toliara ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), nijery ny fandrosoan’ ny tetikasa « Ampi’zay », hiarahan’ny MJS sy ny Terres en Mêlées manatanteraka. Nampisehoana ny atao hoe « Rugby for Change » an’ireo mpianatra. Fomba mampiroborobo ny firaisankina sy ny fitovian’ ny lahy sy vavy amin’ny alalan’ny rugby. Mihoatra ny
4 000 ny ankizy nanatrika izany tany an-toerana. Ma­namafy ny MJS fa hanohy hanohana ny tetikasa ho tombontsoan’ny tanora.

Ligim-paritra 3 indray no nahavita ny fifidianana, hitantatana mandritra ny 4 taona manaraka, araka ny tetiandro napetraka eo anivon’ny taranja basikety. Voafidy ho filohan’ny ligin’Analanjirofo Razafin­dra­koto Jimmy Gouges. Filohan’ny ligin’Ihorombe Raza­fimandimby Hantanirina Quitonica. Hitantana ny ligin’i Vatovavy kosa Ratsimbaharison Claudio Robin Aimé.

Nanomboka omaly, ny andro voalohany amin’ny fiofanana « Camp de Basket 3×3 », ao anatin’ilay tetikasa “Eco-Hoopers”. Natokana ho an’ny Malagasy mpilalao basikety latsaky ny 14 toana sy
latsaky ny 16 taona izany. Tanjona ny hiadiana amin’ ny fiovaovan’ny toetr’andro, amin’ny alalan’ny fanaovana fanatanjahantena. Any Antsirabe no hanatanterahana ity fiofanana ity.

Partager sur: