Taona 2025 : Tsy mihoatra ny 7,4% ny fidangan’ny vidim-piainana

Refesina amin’ny alalan’ny fivoaran’ny vidin-javatra jifaina (IPC) ny fidangan’ny vidin-javatra mipaka isan-tokantrano. Voafehy ny vidim-piainana, tsy nihoatra ny 7,4% ny tamin’ity taona ity, raha nahatratra 8% isan-taona izany hatramin’izay.

Mamaritra ny fiovaovan’ ny vidin-javatra ny IPC. Araka ny antontani­san’ny Instat, anisan’ny handanian’ny tokantrano mala­gasy ny vola miditra aminy ny fividianana vary (17,85%), ny karazana zava-pisotro tsy misy alikaola (52,9%) ary ny zavatra ilaina andavanandro na PPN (28,31%). Nisondro-bidy tsikelikely ny vidim-bary tato anatin’ny 10 taona farany (2016-2025), fa tsy hita ho nidangana loatra anefa. Ho an’ny novambra 2025 teo, tsy nihetsika firy ny vidim-bary sy ny vidin-tsakafo ary ny PPN.
Tafidina 7,6% ny fidangan’ ny vidim-piainana ny septambra 2025, raha efa nahatratra 9,5% tamin’ny janoary 2025. Tombanana ho 7,0% hatra­min’ny 7,4% io taha io amin’ny faran’ity taona ity, raha toa ka manodidina ny 7,6% hatramin’ ny 8% ny salanisa isan-taona hatramin’izay.
Na nisy aza ny krizy poli­tika farany teo, teto amin’ny fi­renena, tsy hita taratra ny fisondrotry ny vidin-javatra sy ny fidangan’ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny, maneho ny maha mafy orina ny fototry ny IPC. Tsy azo lavina fa niantraika tamin’ny orinasa sasany ny krizy, nisy fikorontanana ny lafiny famatsiana entana, saingy voafehy ny fiantraikany teo amin’ny tsena, vokatry ny paikady napetraky ny fanjakana.
Tsy nihetsika firy ny vidin-tsolika

Marindrano, tsy mihetsika firy ny vidin’ny lasantsy SP sy ny gazoala, nidina aza izany indraindray. Iaraha-mahalala fa miantraika amin’ny saram-pitaterana, ny vidim-bokatra sy ny famatsiana ny vidin-tsolika. Mampiseho ireo fa hita taratra any amin’ny fiovaovan’ ny vidin-javatra ireo.
Nahafahana nifehy ny singa mamaritra ny IPC ihany koa ny fitohizan’ny fanoha­nana avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ny tsy nanasaziana an’i Mada­ga­sikara, taorian’ny fiovan’ny mpitondra fanjakana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: