Hiverina manomboka ny 13 desambra ny sidina mampitohy an’i Madagasikara sy Mayotte. Dingana vaovao ho amin’ny fanatsarana ny zotra ana habakabaka izany ka hampiroborobo bebe kokoa ny fifandraisana amin’ny Nosy Kaomoro. Hisantatra ny sidina ny kaompania Ewa Air. Porofo izao fa manana anjara toerana lehibe amin’ny toekarena, indrindra ny sehatry ny fizahantany, ny fifandraisana ana habakabaka.
Hotanterahina ny alatsinainy, haharitra roa andro, ny Fihaonambe iraisam-pirenena hiresahana ny fanamby ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Hifanakalo hevitra mandritra io fotoana io ireo mpahay toekarena iraisam-pirenena. Tanjona ny hanohanana ny fanavaozana amin’ny alalan’ny fametrahana paikady mifototra amin’ny fampandrosoana maharitra.
Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ny seha-pihariana lavanila ny drafitra momba ny fomba fiasa sy ny fanomezana fahazoan-dalana eo anivon’ny minisitera, iarahana amin’ny Bianco. Jerena manokana ny hamelana malalaka ny vidin’ny lavanila, amin’ny fametrahana fepetra tantsoroka ho fifehezana ny tsenam-barotra. Kendrena manokana ny hifehezana ny habetsaky ny vokatra, amin’ny alalan’ny fandrindrana mialoha ny taom-pamokarana.




