CCIA : Vonona hanohana ny orinasa malagasy

Nanao tatitra momba ny taom-piasany voalohany ny birao vaovao mandrafitra ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Antananarivo (CCIA), ny talata teo. Nisongadina manokana ireo sehatra laharam-pahamehana, ahitana ny lohamenaka, ny fanodinana ny cacao, ny tolotra momba ny niomerika ary ny sehatry ny lamba. « Notsongaina manokana ireo sehatra ireo noho izy misy tombony maro samihafa sy mifanaraka amin’ireo rafitra napetraky ny CCIA», hoy ny filohany, Razafin­tsalama Gil. Nisy, araka izany, ny fihaonambe natao, nametrahana ny vovonana iombonan’ireo matihanina. Tao anatin’izay ireo fampidirana eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna ny mpandraharaha, sns. Marihina fa nametraka paikady vaovao amin’ny fomba fiasa ny biraon’ny Anteni­mieran’ny varotra sy ny indostria Antananarivo nanomboka ny volana desambra 2024. Ny hampanaraham-penitra ny CCIA sy hanamafisana ny fanohanany ny orinasa malagasy hatramin’ny taona 2030 izany.

Vina
Mijanona ho sakana amin’ny fanatanterahana tetikasa ny fikarakarana taratasim-panjakana. Antony indrindra nahatonga ny CCIA mametraka paikady ahafahana mamaly ny filan’ireo mpikambana miisa 14 000. « Mila atao mangarahara ny fizarana ireo olana sedraina mba hahafahana mitady vahaolana mahomby », hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Ankilany, naneho ny fahavononana hanohy ny vinan’asa sy ny tanjona apetrany ho an’ny taona ho avy ny CCIA. Anisan’ireo tetikasa lehibe hotanterahina ny hananganana ny sampandraharaha ha­nohanana ny fanondranana, ny hampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, ny hanamafisana ny fiofanana, sns.

Henintsoa

Partager sur: