Tsy mety foana fa vao mainka mirongatra ny trafika sokatra eto amintsika, toy ity teratany sinoa iray nahatrarana sokatra miisa 162 ity. Misy koa ny efa voaheloky ny fitsarana niditra am-ponja, fa navoaka indray.
Nampita vaovao tany amin’ny Zandarimaria Zana-tobim-paritra Ankadindravola Ivato, Borigady Talatamaty, ny olon-tsotra monina eny Ilaivola-Ivato, omaly maraina. Rehefa natao ny fisavana, zana-tsokatra miisa 162 no tratra tao an-tranon’ny teratany sinoa iray, miparitaka ao anaty efitrano sy lalantsara. Misy koa ny efa maty namoaka fofona teo ivelan’ny vavahady sy tanaty dabam-pako. Sokatra efa maty hita taritin’ny alika mivoaka ny toerana filokana (Casino) iray eny Ilaivola, an’ity teratany sinoa ity, no nanaitra ny mponina manodidina, vao maraina, nahatonga azy ireo nampandre haingana ny Zandary.
Nosamborina avy hatrany ilay teratany sinoa tratra tao an-toerana, tazonina atao fanadihadiana eny amin’ny Zandarimaria. Nogiazana ary noraisin’ny fikambanana iraisam-pirenena miahy ny sokatra, Turtle Survival Alliance (TSA) an-tanana ny fikarakarana sy ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo biby sisa velona.
Olom-boafidy efa voasazy
Tsy vao izao ny trafika sokatra toy izao. Anisan’ny nisongadina ny olom-boafidy iray, nahatrarana sokatra miisa 112, ny volana desambra 2024. Nivoaka ny avrily 2025 ny didim-pitsarana, nanameloka azy higadra 10 taona an-tranomaizina, miampy fandoavana lamandy 60 tapitrisa Ar. Taitra ny rehetra fa navoaka ny fonja ity olom-boafidy ity, ny volana oktobra 2025 teo, na dia tsy tao anaty lisitra nahazo famotsoran-keloka faobe aza. Efa nilaza ny filoham-panjakana ho an’ny Fanavaozana fa tsy maintsy ho samborina indray izy ireny. Raisin’ny fitsarana ho toy ny fitsoahana ny fonja ihany koa ny vesatra fanampiny hiampangana azy.
Mampahatsiahy ny minisiteran’ny Tontolo iainana fa azon’ny rehetra antsoina maimaimpoana ny laharana maitso 955 hanomezam-baovao mahakasika ny fitrandrahana antsokosoko ny harena voajanahary toy izao.
Randria




