Maty teo no ho eo ny mpanao taxi-moto iray ary lasan’ny jiolahy ny moto nentiny teny Ambohimanambola, ny alin’ny talata teo, tamin’ny 8 ora.
Notifirin’ny jiolahy tamin’ny basy, voan’ny bala teo amin’ny tratrany havia ka namoy ny ainy ny mpanao taxi-moto iray teny Ambohibato, kaominina Ambohimanambola, afakomaly. Nahare antso vonjy sy poa-basy indroa ny mponina teny amin’ny fokontany Ambohibato, ny talata alina tamin’ny 8 ora. Nirefotra tampoka ny basy. Tsy nisy sahy nivoaka ireo manodidina raha tsy fotoana fohy taorian’izay. Nijery ny zava-nisy izy ireo. Hita nitsirara tamin’ny tany ny lehilahy iray efa tsy nisy aina intsony. Nanao solomaso io lasibatra io. Nandriaka ny ra. 10 minitra taorian’ny tranga, naharay antso ny zandarimaria miasa eo anivon’ny borigady Ambohimanambola. Nidina ifotony nanamarina io vono olona io izy ireo. Nahitana diam-bala ny vatan’ilay lehilahy. Notifirin’ireo olon-dratsy tsy lavitry ny sorony havanana izy.
Voaroba ny moto
Nalain’ireo tsy valahara ny moto nentin’ity lehilahy lasibatra ity. Niezaka nikaroka ny mombamomba an’ity farany ny tomponandraikitra. Voamarina fa mpanao taxi-moto eny 67 Ha io maty voatifitra io. Mpiavy eto an-dRenivohitra, mivelona amin’ny alalan’ny fitateran’olona amin’ny moto hatry ny ela izy. Monina any Manakara avokoa ny fianakaviany saingy misy vitsivitsy miasa eto Antananarivo. Raha tsiahivina, lasibatra tato ho ato ireo mpanao taxi-moto. Anisan’izany, ny mpanao taxi-moto iray hita faty vao mangiran-dratsy izay simba tanteraka ny endriny noho ny vono sy daroka nataon’ireo mpanao ratsy azy, teny Ifarihy, ny 17 oktobra lasa teo. Nalain’ireo mpandroba koa, ny moto teny aminy.
Tsiferana R.




