VAOVAO TAMBATRA

Tsy mbola misy mihitsy ny fanomezana alalana na fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany navoaka sy nosoniavin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Hamafisin’ny minisitera fa tsy handefitra manoloana ireo manao hosoka ary handray fepetra hentitra amin’ireo rehetra minia mandika lalàna ny minisitera. Natao ity fampitandremana ity manoloana ireo tranga sy angom-baovao voaray.

Miofana mahakasika ny Fampanarahana enti-tanana na Insemination artificielle (IA), ny teknisianin’ny minisiteran’ny Fiompiana eny amin’ny Fitantanam-paritra (Drae). Nisitraka izany ny teknisianina avy any amin’ny faritra Betsiboka, Amoron’i Mania ary Ihorombe. Ankoatra ny fiofanana, ampidirina anaty Rafitra antontam-baovao sy fiaviana ary ny mombamomba ny biby (SGBTI) ihany koa ny biby nampanarahana.

Hapetraka tsy ho ela eny amin’ny Ladoany malagasy ny fandaharanasa Mpandraharaha toekarena nankatoavina (OEA). Mari-pahatokisana omen’ny Fadintseranana ireo mpanara-dalàna sy azo antoka ny OEA. Manafaingana ny famoahana entana araka ny fenitra Safe, napetraky ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fadintseranana (OMD) ny fisitrahana azy.

Partager sur: