Tamboho nihotsaka : Efa-mianaka niara-maty teny Soavina

Niara-maty, nirodanan’ny tamboho tao an-trano, ny olona efa-mianaka, omaly, teny Ambavihy, Soavina. Tsy nisy tafavoaka, tototry ny tany, biriky sy béton izy ireo nandritra ny torimasony.

Nirodana vokatry ny orambe tsy niato ny tamboho iray tetsy amin’ny fokontany Ambihivy, kaominina Soavina, disitrikan’ Atsi­mondrano, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma, tamin’ny 11 ora alina. Nianjera tamin’ny trano iray ambany rihana, izay nahitana efitra iray teo ambaniny izany. Vokany, maty tototry ny tany sy ireo béton maro ny olona efa-mianaka tao amin’ ilay trano. Nahitana raim-pianakaviana 28 taona, renim-pianakaviana 23 taona, ary ny zanak’izy ireo anankiroa : 2 taona sy vao telo volana monja. Tao anaty torimaso lalina ireo niharam-boina ta­min’ny fotoana nitrangan’ny loza. Feo nidoboka sy feon-javatra nianjera mafy no na­naitra ny fianakaviana teo akaiky. Trano efa tototry ny tany sy vato no hitan’ ny rehetra, rehefa nivoaka nijery ny zava-misy. Mbola naaantso vonjy ilay renim-pianakaviana namoy ny ainy talohan’io tranga io.

Maty teo am-pandriana

“Nantsoina ny Vondron’ny mpamonjy voina avy eny Soa­vina saingy efa voasokitry ny fokonolona efa ela ny razana vao tonga izy ireo”, hoy Ran­drianimanana Norbert, dadan’ ilay raim-pianakaviana anisan’ ny namoy ny ainy. Naharitra ora iray ny fikarohana sy fisokirana ireo olona niharam-boina. “Niezaka na­navotra sy nanala ireo vato sy biriky ary tany nanindry azy ireo izahay saingy efa vatana mangatsiaka no azo tao”, hoy hatrany izy. “Maty teo am-pandriana izy efa-mianaka kely, feno ra ny fandriana natorian’izy ireo, voatsindrin’ ny tany sy béton ny vatan’izy rehetra”, hoy ha­trany izy nitantara. Nanano­sa­rotra ny fisokirana ireo niharam-boina noho ny tsy fanampian’ ny fi­taovana teo am-pelantanana.

Tototra tao avokoa ny fananana

Ankoatra izay, simba tototry ny tany avokoa ny fananana rehetra tao an-trano, toy ny bisikileta, ny kojakoja an-dako­zia, fanaka sy ny maro hafa. Maty voatsindry tao koa ny kisoa iray, izay mbola mi­soki­tra izany ny fokonolona hatramin’ny fotoana nandalovana teny an-toerana. Akoho kely sisa no velona tao an-trano, izay tsy voakasik’ireo tamboho nianjera. Tonga ara-potoana sy nijoro teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Soavina, Rigobert Rakotoari­son, sy ny sefo fokontany Am­bavihy. Efa eo ambohitra ny razana ary ha­levina eny Ana­lapandra, kaominina Soa­vina ihany, ny sabotsy izao.

Mino

Partager sur: