Noraisin’ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana, omaly, ireo niharam-boina sy ireo fianakavian’ny namoy havana tamin’ny raharaha fanapoizinana niseho teny Ambohimalaza, ny volana jona lasa teo. Angatahin’ ireo fianakaviana ny handraisana an-tanana ireo mbola marary. Eo koa ny hijerena ireo fianakaviana anaty alahelo vokatry ny dona noho ny famoizana zanaka, havana, namana. Takin’izy ireo koa ny hanohizana ny fanadihadiana hahafantarana izay marina mahakasika iny raharaha iny.
Raim-pianakaviana iray, tsy manana trano fonenana, hita faty tao ambadiky ny Fiangonana FLM Ambodivona Ambavahaditokana Itaosy, omaly. Efa nisara- panambadiana izy ary izy sy ny zanany vavy no niara-niaina hatramin’izay. Mpivarotra mangidy sy mpanary fako teny Tsararay Ambavahaditokana ito namoy ny ainy ito teo aloha.
Moto iray no tafatsofoka tany ambanin’ny kamiao anankiroa, tetsy amin’ny Fasan’ny karana, omaly hariva. Nisisika tany anelanelan’ny fiara ny mpitondra azy io, noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana teny an-toerana. Soa ihany tsy nisy ny aina nafoy fa nahitana ratra ny vatan’ilay lehilahy nitondra io kodiaran-droa io.
Voasambotry ny Polisy nasionaly tany Toamasina, ny lehilahy iray. Malaza amin’ny fisolokiana sy fandrebirebena amin’ny fivarotana vato tany Bazary be Toamasina. Efa maro ny olona voafitany tamin’ izany, ary andrasana ny fitoriana ataon’ireny olona ireny, mba hisorohana ireo asa ratsy mitovy endrika amin’ny nataon’ity rangahy ity.




