CEO Summit : Vina ara-toekarena vaovao ho an’ny taona 2026

Hatao ny 9 sy 10 avrily 2026 ho avy izao, eto Antananarivo, ny fihaonambe ara-toekarena, andiany faharoa. Fotoana hiompana amin’ny lafiny rehetra iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka, hamaritana tondrozotra vaovao.

Natao ny 4 desambra 2025 teo, teto Antana­na­rivo, ny fanomanana ny fihaonana an-tampony, andiany faharoa, CEO Sum­mit. Fihaonambe iraisam-pirenena mamondrona ireo mpandraharaha ara-toekarena, ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena aty amin’ny ra­nomasimbe Indianina sy ny fi­renena mpiara-miombon’antoka hafa. Mikarakara azy ny Sendikan’ny indostria eto Ma­dagasikara (Sim) sy ny Becom.
Vina vaovao no hapetraka amin’ity andiany faharoa ity. Hitombo ny firenena mpiara-miombon’antoka handray anjara, hasongadina ny tsenam-paritra sy ny maneran-tany. Hitarina ny lohahevitra, hanampy ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fotodrafitrasa efa novoizina tamin’ny andiany voalohany. Toy ny fikarohana famatsiam-bola ho an’ny fampiasam-bola, ny toekarena maitso sy manga, fampiroboroboana ny teknolojia sy ny fikarohana, ny fiaraha-miasan’ny firenena samy tatsimo, ny fitantanana andraisan’ny rehetra anjara, sns.

Famondronana ny rehetra
Manampy ny sehatra tsy miankina, handray anjara koa ny rafi-panjakana, ny antokondraharaha misahana ny fampandrosoana, ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, ny mpampiasa vola vahiny, entina hananganana rohim-pihariana mitondra fampandrosoana aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Nilaza ny filohan’ny Sim, Rasamimanana Tiana, fa « vina hapetraka ny handinihina lalina ny fanadihadiana sy ny hamondronana ny mpandraharaha, ny mpamatsy vola ary ny mpanapa-kevitra eto Madagasikara sy ny aty amin’ ny faritra ary ny firenen-kafa ».
Nambaran’ny CEO ny Be­com, Rakotomalala Tantely, fa « fanamby hatrehintsika ny hamoronana zava-baovao, anaty fahasahiana mikendry lavitra, hanome herijika vaovao hananganana hoavy ma­miratra iombonana ».

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: