Fiara nifandona : Olona 14 naratra tetsy Andohatapenaka

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy amin’ny Digue Andohatapenaka, oma­ly atoandro tamin’ny 11 ora sy sasany. Nifandona tamin’ny fiara fitateram-bahoaka zotra D nifanena taminy, ny fiara 4*4 marika Galloper iray. Nandeha mafy avy any amin’ny Art malagasy Ambohitri­manjaka hi­hazo an’Antanana­rivo io fiara namoa-doza io. Tsy nahatana familiana ny mpamily ka nifatratra sy nidona tamin’ilay fiara mpitatitra, taxi-be, io. Avy aty Antanana­rivo hihazo an’Ivato, nitondra mpandeha ity fiara voadoana ity. Noho ny hamafin’ny fifandonana, olona 14 naratra, tao anatin’ilay taxi-be. Nalain’ny ambulance teny an-toerana kosa ny ramatoa narary tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalana izay efa narary.
Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana, nanao ny fanadihadiana. Nalefa teny amin’ny hopitaly manara-penitra sy teny amin’ny hopitaly Soavi­nandriana ary tetsy amin’ny HJRA ampefiloha ireo naratra rehetra, taorian’ny loza. Anisan’ny voa mafy tamin’io loza io ny mpamilin’ilay taxi-be.
Nandeha mafy ilay fiara tsy mataho-dalana, nivilivily ary avy eo nifatratra tany amin’ilay taxi-be nifanena taminy, raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso ny tranga teny an-toerana. Efa niezaka niala io fiara nirimorimo io ny mpamilin’ilay zotra D saingy tsy afaka niala.
Hitondra ny reniny ho any amin’ny hopitaly noho ny aretina nahazo azy ny antony niakaran’izy ireo ho aty Antana­narivo, raha ny fanazavana voaray. Ny fiasan-tsaina ma­ha­kasika izany teo amin’ny mpamily ny antony niavian’ny loza.

Mino

Partager sur: