Soanierana Ivongo: Lehilahy naiditra am-ponja

Nentina teo anatrehan’ny fampanoavana, notanana vonjimaika any am-ponja omaly, ny lehilahy iray mpivarotra zava-mahadomelina tao Soanierana Ivongo. Nitoroka teny anivon’ny biraon’ny polisy miasa ao an-toerana ny olon-tsotra iray momba ny fisiana lehilahy mihazona sakaosy feno rongony. Nitsirika io olona voalaza io teny amin’ny lalan’i Menantany amin’ny RN5, ny mpitandro filaminana. Notanana ity lehilahy ity ary nogiazana ny sakaosy teny aminy.
Natao famotorana ilay olona avy eo. Mponina ao amin’ny fokontany Ambinany, kaominina Soanierana Ivongo ihany izy. Nokasainay amidy ireo zava-mahadomelina ireo ka efa notsinjarainy tamin’ny alalan’ny fonosana maromaro. Notsiahivin’ny polisy anefa, voararan’ny lalàna ary mampigadra ny fihazonana na famarotana io karazan-java-mahadomelina io. Anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahelamana koa, ny tsy fahafehezan’ireo mpidoroka ny zavatra hohaniny.

Tsiferana R.

Partager sur: