Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ny lehilahy, 42 taona, mpamilin’ny fiara kely peugeot 405. Izay nandona ankizy mpianatra tetsy Soavimasoandro, lalana eny Tsarasoatra, ny 1 desambra hariva lasa teo. Niampita teo amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra ireo ankizy ireo no nofoah’io mpamily io. Ny 3 febroary 2026 hoavy izao, ny fotoam-pitsarana ny raharaha etsy Anosy.
Voasambotry ny polisy tetsy Anosizato, ny 4 desambra lasa teo, ny lehilahy iray nitondra canabis. Nahatratra azy io ny polisy miasa ao amin’ny Compagnie Urbaine d’Intervention (CUI). Nahitana harona plastika misy zava-mahadomelina (canabis) tany aminy rehefa nosavaina. Nentina eo anivon’ny Kaomisaria Foiben’ny Tsaralalàna ary natolotra ny SUT nohadihadiana.
Kamio iray feno biriky nivarina tao anaty rano tetsy Ambohitrimanjaka. Nifanena tamin’ny sarety teny an-dalana izy ka tsy maintsy naka sisiny noho ny haterin’ny lalana. Nihotsaka tampoka anefa ny lalana nisy ny kodiaran’ilay kamio ka latsaka tao anaty rano ny fiara. Avotra soa aman-tsara ireo olona efatra tao anatin’ilay fiara. Tsy nisy ny ainy nafoy.
Lehilahy iray tratran’ny fokonolona nangalatra akoho amam-borona tany amin’ny kaominina Ampasimadinika, disitrikan’i Toamasina II, omaly. Nahitana vorontsiloza telo teny aminy ary hidin-trano sy lakile maromaro. Nofatoran’ny olona io mpangalatra io mandra-pahatongan’ny mpitandro filaminana.




