Mandripaka ny varatra : Lehilahy nilatsaham-potaka teo ambony bisikileta

Niongana teny ambony bisikileta notaingenany ny lehilahy iray, afakomaly. Nilatsaham-baratra teny an-dalana izy, tao Ihazomay, Ankadinondry. Tafakatra valo ny olona matin’ny varatra tao anatin’ny telo herinandro.

Namoy ny ainy teo am-pitaingenana bisikleta ny raim-pianakaviana iray, tao amin’ny fokontany Ihazomay Atsimo, kaominina ambanivohitra Ankadinondry, distrika Tsiroanomandidy, afakomaly. Nikasa hamonjy fo­diana io lehilahy io rehefa avy namonjy tsena tao Ankadi­nondry, araka ny angom-baovao voarain’ny zandary misahana ny famotorana ao an-toerana. Nampiasa ny fitaovam-pitanterana nahazatra azy hatramin’izay ilay raim-pianakaviana. Nanorana ma­te­tika ny andro saingy nanohy ny diany io lehilahy io. Ni­refotra tampoka anefa ny va­ratra tamin’ny 4 ora tolakandro. Nifatratra tamin’ny vatan-tenany izany. May avy hatrany ny ampahany tamin’ny akanjo teny an-kodiny ary nianjera avy eo ambony bisikileta notaingenany izy. Nitsirara teo afovoan-dalana ka namonjy azy ny olona manodidina. Tsy tana intsony ny ainy.
Nisesisesy
Olona maherin’ny valo namoy ny ainy nilatsaham-potaka tao anatin’ny telo herinandro izay. Fianaran­tsoa, Andramasina, hatrany An­ka­dinondry izay saika ni­trangana loza nahatsiravina avokoa. Matetika olona hamonjy fodiana ireo lasibatra, toy ireo telo mianaka niaraka voa tao amin’ny distrikan’Andramasina, ny faran’ny volana novambra lasa teo. Namoy ny ainy tsy fidina tamin’io fotoana io mihitsy aza, ny ankizilahy iray. Tsy misy fanafany ny loza voajanahary tahak’ireo niseho ka namoizana ain’olona maro ireo. Na izany, maro ireo fomba tokony hajaina rehefa fotoan’ny fahavaratra tahak’izao. Matetika mitranga ny loza noho ny tsy fitandremana.

Tsiferana R.

Partager sur: