TSELATRA

Nitohy ny sabotsy 6 desambra teo ny « Opération Mahomby » ataon’ny polisim-pirenena miasa eo Antananarivo Renivohitra. Manao fisafoana eny anivon’ny elakelan-trano sy toerana maro anatin’ny boriborintany miisa enina izy ireo. Tanjona ny hisorohana ny asan-jiolahy sy ny mpanararaotra akaiky andro fety tahak’izao.
Mpamaky trano roa lahy tratra teny Anosipatrana Andrefana, naiditra am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy, ny 5 desambra teo. Voasambotra teo am-panaovana ny asa ratsiny ireo tontakely ireo. Nentin’ny tompon-trano lasibatra namonjy ny biraon’ny polisy izy ireo.
Zaza enim-bolana velonaina soa aman-tsara narian-dreniny ka hitan’ny fokonolona tao Andreba, Fenoarivo Atsinanana, afakomaly. Nalain’ny tomponandraikitry ny filaminana io zaza io ary miroso amin’ny fanadihadiana izy ireo.
Olona roa nandroaka omby halatra saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Miantsoarivo, kaominina Imerintsiatosika, ny zoma 4 desambra teo. Nafatotry ny tompony teo amin’ny sisin-dalana ireo ombin-tsarety roa, kinanjo lasan’ny olon-dratsy tampoka.

Partager sur: