Anisan’ny namelabela-kevitra nandritra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Géodiversité, ny alakamisy 11 desambra teo, teny amin’ny oniversite Ankatso, ny Dr Andriamandimby Souleman Ibrahim.
Mpampianatra mpikaroka ny tenany, sady talen’ny Foibem-pikarohana ny jeolojia, ny otrikarena ambanin’ny tany ary tontolo iainana. Nasongadiny fa voambolana tsy mbola fantatry ny besinimaro nefa manan-danja amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny Géodiversité. Entina ilazana ny otrikarena ambanin’ny tany manokana, toy ny safira, ny volamena, akoratany, sns, sy ny ambonin’ny tany hita maso, toy ny Tsingin’i Bemaraha, ny tandavambaton’Isalo, ny tangorotendrombohitra volkanika manokana, sns.
Navoitrany, fa manana karazany maro amin’izany ny distrika 119 eto amintsika. Tsy mbola harena ny filaza azy rehefa tsy mbola voatrandraka, fa atao hoe otrikarena. « Adidinay mpikaroka ny mampahafantatra fa tokony ho ny Malagasy no misitraka azy ireny feno, fa tsy ny vahiny. Iaraha-mahita ny zava-misy, mijaly vokatry ny fitantanana ratsy i Madaagasika. Ilaina ny mangarahara, ny fampahalalam-baovao hiadiana amin’ny kolikoly, mba hisitrahan’ny rehetra ny tombontsoa, ny fanjakana hatramin’ny mponina eny ifotony. Misy amin’ ireo mpitandraka madinika, mampiasa hatramin’ny ankizy kely », hoy ihany ny Dr Souleman.
Ambany ny tahan’ny « radioactivité »
Ho azy, fanamby lehibe no miandry ny fitrandrahana volamena. Tsy ampy ny fandraisana andraikitra matotra sy mazava, ratsy ny fitantanana, kely na tsy misy mihitsy ny fiantraikany tsara sy ny tombontsoa azon’ny eny ifotony, na efa voafaritry ny lalàna aza ny tamberimbidy. Tsy hajaina ny tontolo iainana. Mahakasika ny tahan’ny « radioactivité » amin’ny fitrandrahana fasimainty, nomarihiny, fa ambany ny tahany miohatra amin’ ny taha eo amin’ny fenitra iraisam-pirenena, ka tsy atahorana, fa tsy araka ny feo aparitaka.
Ilain’i Madagasikara ny fitrandrahana indostrialy, satria fotoana hamadihana ireny akora ireny ho lasa harena izao.
Njaka Andriantefiarinesy




