Izy irery, hatreto, no mpanao rap gasy nahazaka ny Lapan’ny fanatanjahantena. Niantso ireo namany hifampizara sehatra aminy Raboussa, no manomana seho ho tadidy sy ampitaina ihany koa.
Herintaona toy izao, nirefotra tsara ny Lapan’ny fanatanjahantena… Fanokafana ny 25 taona an-tsehatra iny, ho an-dRaboussa. Hofaranana ao ihany ny fankalazana ny 30 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. « Nahafinaritra iny, ka angatahan’ny maro ny fiverenany. Tsy ho ambakan’ ny tamin’iny io fiarahana io. Hotendrena manontolo ny mozika fa eo ihany ny DJ manampy, hataontsika hoe Rap accoustique hybride no iantsoana azy », hoy ny nambaran-dRaboussa, nandritra ny velakevitra ho an’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Mahamasina.
Ny vaovao lehibe andrasan’ny mpankafy: ry 18,3, Marion ary i Doubl’Enn no vahinin-dRaboussa eny an-tsehatra, amin’io. Mpanakanto nifampizara lalana tamin’ny mozikan’ny arabe, niara-dia sy niara-niasa ary mbola mifanjohy eny ry zareo ireo. Nifanojo tamin’ny drafitry ny SR Pro, izay mpikarakara rahateo, hahafahana mampiaka-tsehatra miaraka ireto mpanakanto ireto. “Efa niaraka tamin’ireo namana izahay tamin’ny herintaona, ary mbola hofarananay miaraka amin’ireo namana ny 25 taona an-tsehatra. Mbola misy vahiny iray aza tsy mbola hampahafantarinay aloha…”, hoy hatrany Raboussa.
Adiny telo tsy latsaka ny fampisehoana. Hisy ireo hira tsy fanao matetika no havrina, taorian’ny fihainoana ireo mpankafy, tsy maintsy hatao koa anefa ny hira vaovao, izay efa voarain’ny taty aoriana, ho mariky ny fitohizan’ny rap gasy. Hamoaka vokatra “Collector” Raboussa anatine USB amin’io fotoan-dehibe io. Ao anatin’izay ny horonantsary mitantara izay 25 taona izay, miaraka amin’ny ampahan’ ireo fiakarana an-tsehatra nofantenana manokana.
Zo ny Aina




