Fanafihana mitam-piadiana: raim-pianakaviana sy ny zanany maty voatifitra

Nitrangana fanafihana mi­tam-piadiana, ny tolakandron’ ny talata lasa teo, tany amin’
ny fokontany Sambosotsy, kao­minina Behisatsy, distrikan’i Beroroha. Nifanehitra tamin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ny fianakavianakely, telo mianaka, handeha ha­mon­jy fodiana rehefa avy na­monjy tsena tany Behisatsy. Nande­ha moto izy ireo no no­saka­nan’ ny jiolahy tamin’ny lalana ary nambanany tamin’ny basy. No­tifirin’ireo jiolahy izy ireo, ka nianjera tamin’ny tany. Maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra nahazo azy, nandritra izany, ilay raim-pianakaviana nitondra ny kodiaran-droa. Namoy ny ainy noho ny dona mafy nahazo azy teo am-pianjerana sy ny tifitra nahazo azy ihany koa ilay zaza. Naratra mafy ary nentina notsaboina eny amin’ny ho­pitaly ilay renim-pianakaviana. Lasan’ireo olon-dratsy, ta­min’izany, ny entan’ireto olona lasibatra ireo.
Taorian’ny fifampitifirana, tafatsoaka ilay ramatoa ka ni­antso vonjy tamin’ny fokonolona teny amin’ny manodidina. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana ary tonga teny an-toerana nitrangan’ny fanafihana. Tsy tratra teo intsony ireo olon-dratsy tamin’ny fo­toana nahatongavan’ny ma­nam-pahefana. Efa misokatra ny fanadihadiana sy fikarohana ireo nahavanon-doza. Ma­rihina fa faritra malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana iny toerana iny.

Mino

Partager sur: