Tratra ny fanamby! Araka ny efa notaterina teto, vita ny 24 desambra teo ny fanamboarana ireo milina roa mpihary herinaratra ny G3 sy ny G4 ao amin’ny toby termika Ambohimanambola (CTA2) an’ny Jirama. Tontosa ny fampidirana ny herinaratra ao amin’ny Tambajotra iraisan’ Antananarivo (RIA). Manome tanjaka 3,3 MW ny gropy G3, raha 5,1 MW ny G4. Misy fanintsiana kely ny milina turbo amin’ny gropy G3 dia hanome 5MW ihany koa.
Tsiahivina fa efa miasa soa aman-tsara sy manome tanjaka 5 MW ny gropy G1. Mitohy ny asa fanarenana ny toby CTA2 Ambohimanambola, ka hiditra amin’ny fanamboarana ny gropy G2 ihany koa ny teknisianin’ny Jirama, ary vinavinaina ho vita amin’ny fiandohan’ny taona 2026 izany. Izany hoe, handeha daholo ireo milina mpihary herinaratra dimy eny amin’ny toby CTA2, hamokatra 5MW isanisany ireo ary hitotaly 20 MW ny vokariny. Hampitombo ny vokatra ao amin’ny tambajotra RIA ireo.
Tahiry 1 miliara Ar isaky ny 1 MW
Marihina fa mandeha amin’ny solika ny toby eny Ambohimanambola, izany hoe, lafo ny fandaniana. Vahaolana hatao ny hampihenana ny masonkarena amin’ny famokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Ahazoana mitahiry vola 1 miliara Ar isaky ny 1 MW ny famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro.
Vahaolana maharitra kosa ny famokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano, toy ny tetikasa “Volobe CGHV”, hamokatra 120 MW. Hanomboka amin’ny taona 2026 ny fananganana ny fotodrafitrsa ary haharitra 3 taona ny asa.
Njaka A.




