Kamiao tapaka hisatra: olona efatra naratra tetsy Ankazomanga

Nisehoana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tetsyAnkazomanga akaikin’ny tobin-tsolika Jovenna, omaly, tokony ho tamin’ny 07 ora maraina. Nandeha mafy ny fiarabe mpitatitra entana iray, marika Mercedes Benz, miloko fotsy. Tsy tafajanona ary nifoaka olona efatra nandeha teny amin’ny sisin-dalana. Mbola nidona tamin’ny andrin-jiro iray teo amin’ny sisin-dalana ihany koa izy io vao tafajanona. Vokany, naratra mafy noho ny dona nahazo azy ireo olona efatra lasibatra. Nizotra avy any ivelan-tanàna ho any amin’ ny Rond point Ankazomanga ilay fiara, raha ny fanazavan’ny olona nanatri-maso. Nentin’ny olona tsara sitrapo nihazo ny HJRA Ampefiloha avy hatrany izy ireo, taorian’ny loza. Nianjera tamin’ny arabe kosa ilay andrin-jiro ary nibahana sy nanelingelina ny fifamoivoizana teny an-toerana.
Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza, nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana, ny polisim-pirenena (PPA4) sy ny sampandraharaha misahana ny lozam-pifamoivoizana. Nandray an-tanana sy niantoka ny filaminana sy ny fandrindrana ny fifamoivoizana teny an-toerana izy ireo. Tapaka hisatra ilay fiara, antony nahatonga ny loza, raha ny fanazavana voaray. Entanina hatrany ireo mpampiasa lalana hanaja ny fitsipiky ny fifamoivoizana sy hikarakara ny fiara ampia­sainy, mba hahafahana misoroka ny lozam-pifamoivoizana tahaka izao.

Mino

Partager sur: