Hentitra amin’ny fampanarahan-dalàna ho an’ireo mpitondra fiara eto Antananarivo Renivohitra sy ny faritra hafa ny polisim-pirenena, araka ny nambaran’ny Tale jeneraly lefitry ny Polisim-pirenena, ny kaomisera Seraly Hercule, ny faran’ny herinandro teo. Taorian’ny fitsaharana vonjimaika ny fisavana nataon’ny ekipan’izy ireo teny an-dalambe, hampihatra avy hatrany ny sazy ho an’ireo minia mandika lalàna izy ireo, nanomboka ny sabotsy 27 desambra teo. Mpitondra moto, fiaran’olon-tsotra, mpitatitra entana sy fiara fitateram-bahoaka, izay samy iharan’io fanapahan-kevitra io avokoa. Nirongatra ny lozam-pifamoivoizana tao anatin’ny iray volana ka mpitondra moto sy taksiborosy mampitohy amin’ny faritany avokoa ireo lasibatra. Fanataterahana ny asa am-pahamendrehana no tanjon’izy ireo ka tsy tokony hisy ny mpitandro filaminana hanararaotra handray tsolotra na hanao kolikoly amin’ireo izay tratra mihoa-pefy, araka ny fanazavan’io tale lefitry ny polisim-pirenena io. Handray fepetra manokana ho an’ireo polisy manao io fomba ratsy io izy ireo raha toa ka misy ny tranga. Tsiahivina, tomponandraikitra amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana an-dalambe koa ny mpandeha an-tongotra sy ny mpivarotra amoron-dalana. Ireto farany izay tokony hanaja hatrany ny toerana voatokana hifamezivezena sy hivarotana mba tsy hanelingelina ny fiara sy moto.
Tsiferana R.




