Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tany Morarano Analankininina, Toamasina, omaly tokony ho tamin’ny 02 ora maraina. Tonga nanafika tokantranon’olona iray ny jiolahy miisa telo, misaron-tava sy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Nitondra basy poleta ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Raha nitondra antsilava kosa ny iray hafa. Nokapain’izy ireo tamin’ny antsy ny loha sy tanan’ny raim-pianakaviana tompon-trano, vantany vao tafiditra izy ireo.
“Nisy maniraka izahay, nampanaovina mission fa misy volabe izany ato aminao ary omeo anay izany”, hoy ny teny nolazain’ireo jiolahy tonga nanafika. Namaly fa tsy manam-bola homena ireto jiolahy ireto ny tompon-trano fa afaka maka izay entana tian’izy ireo halaina ao an-trano. “Azonareo hoentina hatramin’ny moto sy fiara fa ny vola tsy misy ato amiko”, hoy ny lasibatra rah any fanazavany. Naheno izany ireo olon-dratsy ka nanao takalonaina ny zanaka vavin’ny tompon-trano. Natohak’izy ireo tamin’ny tendan’ilay ankizivavy 12 taona ny antsy lavalela. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Naratra teo amin’ny lamosiny ny iray tamin’ ireo jiolahy. Avotra soamantsara ilay ankizivavy.
Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Tsy nahatratra ireo olon-dratsy intsony izy ireo. Marihina fa izy sy ny zanany roa (12 sy 6 taona) no tao an-trano tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io.
Mino




