Nahazo kianja maroloko, ahitana ny ho an’ny kolontsaina, fanaovana vakodrazana sy hiragasy sy izay mifandraika amin’ izany, ny tanànan’i Toamasina. Eo koa ny fanaovana basikety, azo hilalaovana taranja maro.
Orinasam-panjakana amin’ny ampahany, raha tsy miankina kosa amin’ny ankilany ny SMMC (Societé de manutention des marchandises coventionnelles), iray amin’ ireo telo mandrafitra ny seranantsambon’i Toamasina. Fantatra izany nandritra ny fitokanana fotodrafitrasa maroloko naorian’io orinasa io, amin’ny toerana voatokana ho vakoka iraisam-pirenena “Place Bien Aimé » Ampasimazava. Araka izany, kianja maroloko, ahitana ny ho an’ny kolontsaina, ho fanaovana vakodrazana na hira gasy sy izay mifandraika amin’ izany. Natolotra tamin’io koa ny kianja fanaovana basikety azo hilalaovana taranja maro, toy ny mini foot, Handeball, Volley-ball, ary kianja ho an’ny Tsipy kanetibe.
Tonga nitokana ireo fotodafitrasa manan-tatara ao Toamasina ireo ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Ogascar Fenosoa, sy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena misahana ny faritany Toamasina. Notronin’ny solontenam-panjakana ao Toamasina sy ny tale jeneralin’ny SMMC, i Tsirenge Niriko Rosalien.
Vakoka iraisam-pirenena
Nohamafisin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina fa tsy tongatonga ho azy izao fotodrafitrasa izao satria mendrika an’ity toerana efa voasokajy ho vakoka iraisam-pirenena hatramin’ny taona 2015 ity , izany. ” Manerana an’izao totolo izao, firenena dimy ihany no ahitana ireo karazan-kazo lehibe ireo, ny Indianina no nitondra azy teto Toamasina, izay miisa 12 izy no maniry eto amintsika ary efa mahatratra zato taona mahery ny fisiany”, hoy ny minisitra.
Nohamafisin’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena misahana ny faritanin’ i Toamasina, Razara Pierre Ravolaza Fidél, fa “porofo mitohoka amin’ny tenda, raha nihevitra sy nandray an-tanana amin’ny fametrahana an’izao fotodrafitrasa izao ny tale jeneralin’ny SMMC satria mpiasa eo anivon’ity orinasa ity ny olo-malaza tamin’ny basikety teo aloha dia ramatoa Bao Monique, izay nitondra avo ny taranja basikety malagasy. Eo ihany koa ny ekipan’ny Ascut, ry Belalahy Harvel, nitarika izany, nandrobaka ny amboaran’i Afrika. Ankilany, vao nandrombaka ny amboara maneran-tany Tsipy kanetibe. Tsy hodian-tsy fantatra fa ny tale jeneralin’ny SMMC dia mpanao basikety ikoizana ihany koa tamin’ny fahatanorany ary mbola misehatra amin’ izany eo amin’ny veterans. Amiko andriamatoa minisitra dia tokony ho jerena manokana ireo olona ireo fa mendrika omena mariboninahi-pirenena”.
Ny tale jeneralin’ny SMMC, Tsirenge Niriko Rosalien, kosa sahy nilaza fa ny basikety eto Toamasina dia taranja mpanjaka ” sport de roi ” ary tsy mitsahatra ny mahazo ny voalohany amin’izany ny SMMC raha sy hilaza afa-tsy mandritra ny fifaninana ara-panatanjahantena natokana ho an’ny mpiasam-panjakana, Asief
Sajo




