Sandam-bola: nitotongana ho 5 288 Ar ny 1 euro

Mitsotsorika hatrany! Tsy mitsahatra mihena ny lanjan’ny ariary miohatra amin’ny vola vahiny, nandritra ity volana ity. Omaly 26 desambra, nisanda 5 288 Ar ny 1 euro, raha mbola 5 087 Ar izany tamin’ny 26 novambra. Izany hoe, nitombo
201 Ar ny lanjan’ny euro tao anatin’ny iray volana farany. Raha atao anefa ny fampitahana, nahazo hery kely, nilatsaka 95 Ar ny ariary nandritra ny volana novambra, satria nisanda 5 160 Ar ny 1 euro ny 27 oktobra 2025, ary nidina ho 5 087 Ar ny 26 novambra.
Mitovitovy amin’io ihany koa ny dolara. Nisanda 4 482 Ar ny 27 oktobra, nilatsaka ho 4 435 Ar ny 26 novambra, izany hoe, nihena 47 Ar. Nitombo lanja tsikelikely anefa ny dolara (toy ny euro ihany), satria, raha 4 474 Ar ny 1 dolara ny 26 novambra dia tafakatra 4 565 Ar, omaly. Izany hoe, tafakatra 91 Ar ny fitomboan’ny lanjan’ny dolara tamin’ity volana de­sambra ity, raha 201 Ar ny euro.
Raha atao koa ny fampitahana ny euros sy ny dolara, nitombo manodidina ny 200 Ar ny lanjan’ny euro, oharina
amin’ny Ariary, ary 100 Ar ho an’ny dolara. Izany hoe, betsaka kokoa ny filàna vola vahiny euro raha oharina amin’ny dolara amin’izao faran’ny taona izao.

Njaka A.

Partager sur: