Taxi-moto: tafakatra 30 000 Ar ny saran-dalana

Niroborobo ny fitaterana taxi-moto any Mangamila Anjo­zorobe, amin’izao vanim-potoana faran’ny taona izao. Antony, tena ratsy ny lalana, vokatry ny rotsakorana tsy ankijanona any an-toerana. Anisan’ny tena voakasik’izany ny miainga eo Mangamila miatsinanana, mandalo ny kaominina Tsarasaotra sy Alakamisy, miafara any amin’ ny fokontany Ambohibary sy Andranomay. Tsy tongan’ny fiara fitaterana intsony any Alakamisy sy Ambohibary, noho izay haratsian’ny lalana izay. Mirefy 70 km ny lalana Antananarivo hatreo Manga­mila. Tsy nihetsika fa 7 000 Ar ny saran-dalana, raha 10 000 Ar ny hatrany Alakamisy Andra­nomadio. Mahatratra 30 000 Ar kosa ny saran-dalana amin’ny taxi-moto, miainga eo Manga­mila hatrany Andrano­may, mirefy 20 km. Nilaza i Lita, mpamily taxi-moto, fa “vitsy amin’izy ireo no afaka man­deha miatsinanana mankany Alakamisy sy Andrano­may. Tena ratsy ny lalana, be la­vaka sady mamotaka ary ma­lama. Mahavita mitondra mpandeha intelo miantaona aho ao anatin’ny iray andro. Mandany lasantsy 2 litatra amin’ny zotra iray. Mampiasa moto marika France rider 250.

Njaka A.

Partager sur: