Trano nirodana: ankizy sivy taona namoy ny ainy

Nirodana tanteraka, vokatry ny ora-mikija, ny tranohazo iray tany Maharovitra, kaominina ambanivohitra Bemanonga, disitrikan’i Morondava, faritra Menabe, afakomaly. Nahafatesana ankizilahikely iray (9 taona) izany tranga izany.

Ankizilahikely iray, sivy taona, maty nirodanan’ ny trano, afakomaly, to­kony ho tamin’ny 3 ora ma­raina, tany Maharovitra, kaominina ambanivohitra Be­ma­nonga, disitrikan’i Moron­dava, faritra Menabe. Namoy ny ainy nirodanan’ny trano fonenany izy io. Noho ny firotsa­han’ny orana tsy ankiato, nirodana ny tranohazo iray, efa momoka sy ela nijoroana. Vokany, voatsindry tao ny an­kizilahikely iray. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandarimariam-pirenena mi­asa any an-toerana vantany vao naharay io tranga firodanana trano io. Nifarimbona nisikotra ilay zaza taraiky tao tamin’ny fokonolona izy ireo. Nahitana ratra maro teny amin’ ny vatan’ilay zaza, rehefa voasikotra. Nentina nihazo ny hopitaly CHRR Morondava ity lasibatra, taorian’izay. Na dia teo aza izany fandraisana an­draikitra izany, namoy ny ainy teny an-dalana ilay zaza. Efa nomena ny fianakaviana ny razana, taorian’izany. Nan­drasana tany amin’ny fokon­tany Ampasy, kaominina Mo­ron­dava, izay fianakavian’ireo ray aman-dreniny, ny razana.
Tokantrano dimy dibo-drano
Raha ny fanazavana voaray, avy tsy ankiato ny orana any an-toerana nanomboka ny alin’ny 14 desambra hatramin’ny 27 desambra lasa teo. Ankoatra io trano nirodana io, niakatra ny rano, indrindra ho an’ireo faritra iva. Dibo-drano, nandritra izany, ny tokantrano miisa dimy any an-toerana. Mangataka ny hanamboarana ireo toerana mitera-doza ny mponina. Nalefa sy nafindra eny anivon’ny trano fandrai­sana traboina izy ireo taorian’ izay.
Anisan’ny ahitana tamboho, trano, tany mirodana hatrany amin’izao fotoanan’ny orana izao. Manentana ny rehetra ny eo anivon’ny mpitandro filaminana mba ho mailo sy hitandrina, hisorohana ny loza ta­haka izao. Aleo mifindra trano mihitsy raha hita fa tsy azo antoka ny trano honenana sy ny manodidina.

Mino

Partager sur: