Ady amin’ny valala: maherin’ny 24 000 ha efa voatondraka fanafody

Mitohy hatrany ny ady amin’ny valala tanterahin’ny fitondram-panjakana. Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanavaozana ny famokarana eny ambanivohitra sy ny fanamafisana ny fiarovana ara-tsakafo nasionaly izany. Tamin’ity taona ity, maherin’ny 24 000 ha ny tanety voatondraka fanafody ary mbola hotohizana mandritra ny volana janoary 2026 ny tetikasa amin’ny alalan’ny fametrahana ny tobim-pibaikoana an-tanety efatra. Hisy hatrany ihany koa ny fitiliana atao ary mety hiampy ireo tobim-pibaikoana. Hamafisina ny fanaraha-maso ana habakabaka amin’ny fampiasana ny angidimby miisa roa mba hisorohana ny fihanaky ny valala mankany amorontsiraka atsimo sy atsimo andrefan’ny Nosy. Ma­rihina fa ny kijeja na zana-balala no betsaka indrindra hita tany Andonaka, distrikan’Ambalavao sy tao Zomandao, distri­kan’Ihosy. Tsiahivina fa efa tonga tao Toliara, ny 22 de­­sambra teo, ny “Téflubenzuron”, fanafody natokana ma­nokana hamonoana ireo kijeja, milanja 50 000 litatra. Nalefa avy hatrany any Ihorombe sy Sakaraha ireo fanafody ireo mba hisorohana ny fihanaky ny valala.

Henintsoa

Partager sur: