Ankorondrano: roa lahy tratra nangalatra moto

Nosamborin’ny polisim-pirenena ny roa lahy tratra nangalatra moto tao amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara, ao amin’ny trano fitaratra Ankorondrano, ny 27 desambra lasa teo. Nihaodihaody tao amin’io toeram-piasana io ireo olon-dratsy ka narahin’ny mpiambina maso akaiky. Tsy nahatsikaritra anefa ireo mpandroba fa nanararaotra nanao ny asa ratsiny. Nam­piditra ny fanalahidy manokana tamin’ny moto an’olona izy roa lahy. Mody nitoditodika nitazana ny manodidina ny iray ka nokasain’izy ireo hatosika mangingina ny moto scooter lehibe iray marika Yamaha. Nahatazan-davitra ny mpiambina ary tsy nisalasala niantso ny mpitandro filaminana hanatratra an’ireo mpanao ratsy. Vokany, no­samborina izy roa lahy. Nota­nana natao famotorana izy ireo, ary niaiky tokoa fa nikasa hangalatra an’io moto an’olona io. Naverina amin’ny tompony ny moto. Marihina, mirongatra ny asa ratsy rehefa vanim-potoana manakaiky fety tahak’izao, indrindra ho an’ny eto an-dRenivohitra. Ilaina hatrany ny fahamailoana sy fampandrenesana ny mpitandro filaminana raha toa ka misy trangan-javatra mampiahiahy.

Tsiferana R.

Partager sur: