Ilaina ny fanovana ara-drafitra amin’ny alalan’ny fametrahana ny « Small Business Act » hanatsarana sy hampivoarana ny fandraharahan’ny orinasa madinika eto Madagasikara. Izy ireny izay mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena.
Mitaky fanovana lalina eo amin’ny rafitra ara-toekarena eto Madagasikara ny filohan’ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama), Rakotondrasanjy Rivo. Manentana ny fananganana ny «Small Business Act», lalàna iray natokana hanamafisana ny anjara toeran’ny orinasa tena madinika, madinika ary salantsalany (TP ME), ny tenany. Nambarany fa mandrafitra ny 99% ny rafitra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny TPME. Avo fito heny noho ny sehatra ara-dalàna, hoy izy, ny sehatra tsy ara-dalàna izay nahatratra 46,5% ny harinkarena faobe tamin’ny taona 2021. Etsy ankilany, « orinasa lehibe latsaky ny 800 amin’ireo mpandoa hetra 330 000 no mampiditra hetra 75% eto amin’ny firenena », raha ny fanazavany hatrany. Nilaza ny filohan’ny Fivmpama fa andry iankinan’ny toekarena ny TP ME ary tokony hametraka politikam-panjakana hanatsarana sy hanovana ary paikadim-pampandrosoana azy ireny ny fitondram-panjakana. Notsindriny manokana fa tokony hisitraka tohana avy amin’ny fanjakana ny orinasa madinika.
Fampivoarana
Tokony ho laharam-pahamehana ho an’ny TPME ny tsenam-panjakana, izany hoe, fametrahana fandaharanasam-pirenena hiaraha-miasa amin’ny FMFP hanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpandraharaha. Araka izany, hanamora ny lafiny ara-pitantanana sy ara-ketra ho an’ny TPME ny «Small Business Act». Tetikasa hanamorana ny fikirakirana ny antontan-taratasy ho an’ireo mpandraharaha amin’ny alalan’ny fametrahana « Guichet unique », hanamora ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa, mpianatra, mpikaroka samihafa. Nanamafy ity mpandraharaha ity fa tokony hojerena ny fomba hanapariahana ny tetikasa hanatrarana ny tanjona apetraka.
Henintsoa




