Novonoina sy naolana: ankizivavikely hita faty tao anaty lavadrano

Hita faty tao anaty lavadrano iray, ao Ambovondra­ma­nesy, disitrikan’i Mahajanga II, afakomaly tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro, ny vatana mangatsiakan’ny ankizivavikely vao enin-taona monja. Maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, naolana sy novonoina ary natsipin’ny olon-dratsy tao anaty fantsakana iray izy io. Fanolanana miharo famonoana ny nahazo azy, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo.
Niala tao an-tranon’ny reniny io ankizivavikely io, ny 26 desambra, tokony ho tamin’ny 1 ora atoandro. Handeha ha­monjy toeram-pivoahana teo an-tokontany izy, saingy tsy ni­verina intsony. Nikoropaka nitady ilay zaza avy hatrany ny reniny ary nanaitra ny mpiara-monina sy ny fokonolona. Na­nomboka ny fikarohana niarahan’ny fianakaviana sy ny fokonolona taorian’izay, saingy tsy nahitam-bokany. Ny atoandron’ny alahady teo vao hita tany anaty lavadrano ny fatiny.
Mpiandry omby sendra nandalo no nahatsikaritra lalitra teo amin’ilay lavadrano ka nampandre ny manodidina. Rehefa nojerena dia fatin-jaza no hita tao. Nampandre­nesin’ny tompon’ny lavadrano ny fianakaviana sy ny sefo fokontany tany an-toerana mahakasika io tranga io. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana ihany koa ny zandarimariam-pirenena, niaraka tamin’ny mpitsabo.
Marihina fa efa misy ny olona ahiahina ho nahavanon-doza tamin’io raharaha io. Efa miatrika fanadihadiana eny anivon’ny mpitandro filaminana ny tenany amin’izao fotoana izao. Andrasana ny fiakaran’ny raharaha eny anivon’ny fitsarana.

Mino

Partager sur: