Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly, ny iray tamin’ireo namono ilay mpitondra taxi teny Alasora. Nohenoin’ny fampanoavana izy rehefa voasambotra fanindroany, avy nitsoaka tao amin’ny biraon’ny polisy.
Naharitra ora maromaro ny fihainoan’ny mpitsara teny anivon’ny fampanoavana ilay lehilahy voasaringotra tamin’ny famonoana raim-pianakaviana iray teny Alasora, omaly. Voasambotra ny andron’ny fetin’ny Noely, io lehilahy anisan’ny nahavanon-doza io, taorian’ny fikarohana sy fanadihadiana lalina nataon’ny polisim-pirenena. Notanana vonjimaika tao amin’ny polisy Alasora izy. Niteraka ahiahy ho an’ny fianakavian’ny maty anefa ny tsy fahitana azy tampoka tao
amin’ny fonjakelin’ny polisy. Nisintona lakolosy tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny mpanao gazety namana. Nikoropaka ny mpitandro filaminana nisambotra ilay lehilahy nahavanon-doza izay efa hitan’ny fokonolona niriaria teny Ambohimangakely. Nolazaina fa nandositra tao anatin’ny fonjakely nihazonana azy io lehilahy io ary nisy ny horonantsary naparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera naneho ny fomba nitsoahany. Miandry ny fotoam-pitsarana azy eny am-ponja, araka izany, ity farany. Ankoatra io, misy ireo naman’ity lehilahy ity mbola karohin’ny manam-pahefana. Niara-nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana ilay raim-pianakaviana hita faty teny Ambohimiadana Alasora izy ireo. Raha tsiahivina, hita faty teny amin’ny fokontany Mi-adana, kaominina Alasora, ny alarobia 24 desambra teo, tamin’ny 9 ora alina, io lehilahy mpitondra taxi io. Nafa¬tra¬tr’ireo olon-dratsy tao anaty si¬nibe ary nalefa tao anaty lavapiringa avy eo. Nanamarina ny zava-nisy sy nizaha ny nofo mangatsiakan’io olona io ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana. Voamarina fa ilay mpitondra taxi tsy hita nandritra ny 19 andro io hita faty io. Novonoin’ireo tsy mataho-tody tamin’ny fomba miharo habibiana io raim-pianakaviana io. Tsy hita ny fiara, izay heverina ho norobain’ireo tsy valahara.
Tsiferana R.




