Akon’ny faran’ny taona: Olona roa namoy ny ainy, 235 naiditra hopitaly

Tsy nieren-doza ny fetin’ny faran’ny taona sy taombaovao. Olona roa namoy ny ainy, 235 naratra teny amin’ny HjRA. Tafakatra 16 kosa ny lozam-pifamoivoizana voaisan’ny polisy.

Olona roa namoy ny ainy ary olona 235 nandalo fizaham-pahasalamana ny alin’ny 31 desambra sy ny 1 janoary teo, araka ny loharanom-baovao teny anivon’ny hopitaly iray lehibe eto an-dRenivohitra, omaly. Ni­sehoana tranga samihafa toy ny lozam-pifamoivoizana sy ratra vokatry ny fifampikasihan-tanana teny anivon’ny fiarahamonina, ny vanim-po­toan’ny fety. Olona roa namoy ny ainy ka tanora vao erotrerony ny iray tamin’ireo. Namoy ny ainy taorian’ny fifandonana mahery vaika teny anivon’ny fokontany iray teto Antana­narivo io lasibatra io. Nentin’ ny tsara sitrapo namonjy hopitaly saingy tsy tanà ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra. Olona iray hafa nisy nanatitra tao amin’ny tranom-paty ny alin’io andro io ihany. Marary 35 voatery notazomina vonjimaika manaraka fitsaboana teny anivon’ny hopitaly. Olona 11 tamin’ireo izay noraisina ny faran’ny taona raha toa ka 24, ny 1 janoary. Olona miisa 22 naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana nandritra ny fetin’ny faran’ny taona ary tafakatra 54 izany hatramin’ny fiatombohan’ny taombaovao. Matetika lasibatra ireo mpitondra moto ka vokatry ny tsy fanajana lalàn’ny fifamoivoizana sy ny tsy fitandremana ary fisotroana zava-pisotro mahamamo no mahatonga ny loza. Olona miisa 37 tamin’ireo nandalo teny amin’ny hopitaly izay voalaza fa tratry ny voina tampoka tao an-tokantrano toy ny fianjerana tampoka. Marary 26 hafa niharan’ny loza tampoka teny an-dalambe. An­koa­tra ireo, maherin’ny 80 ireo nandalo fizahana taorian’ny fahapoizinan-tsakafo, fisotroana zava-pisotro misy alkaola tafahoatra sy fihinanana fanafody lany daty.

16 ireo lozam-pifamoivoizana
Nahatratra 16 ny trangana lozam-pifamoivoizana niseho teto Antananarivo nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona 2025 sy ny fitsenana ny taona vaovao 2026 lasa teo, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny polisim-pirenena. Tsy nisy kosa ny aina nafoy, saingy nahatratra 18 ireo olona naratra vokatr’izany. Raha roa kosa ny lozam-pifamoivoizana nahasimban-javatra sy fitaovana, raha ny tatitra voaray hatrany. Anisan’ny nahitana lozam-pifamoivoizana sy naharatrana olona betsaka ny teto Antananarivo Renivohitra sy ny tena Anta­nanarivo Atsimondrano. Niisa telo ny trangana sinto-mahery ary roa ny vaky trano naharaisana fitarainana, ho an’Anta­nanarivon Renivohitra. Iray avy ny trangana halatra tsotra iray sy miaro vaky trano ho an’Antananarivo Atsimondra­no. Somary nilamina kosa ny tsy fandriampahalemana ho an’Antananarivo Avaradrano, nandritra iny fety iny. Ankoatra izay, mahatratra 30 ireo olona nanaovana fanadihadiana fohy sy nentina teny anivon’ny biraon’ny kaomisarian’ny polisim-pirenena.

Tsiferana R./ Mino

Partager sur: