Nihatsara ny sehatry ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’i Etazonia sy i Madagasikara nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2025.
Tafakatra 595,2 tapitrisa dolara ny sandan’ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’i Madagasikara sy Etazonia nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2025. Mahatratra 546,3 tapitrisa dolara kosa ny sandan’ny fanondranana niditra teo amin’ny tsena amerikanina, raha ny tatitra navoakan’i Etazonia. Nilaza izy fa mitentina 48,9 tapitrisa dolara ny entana nafarantsika avy an-toerana, izay nahafahantsika nahazo ambim-bola ara-barotra 497,4 tapitrisa dolara. Araka izany, nihatsara sy nahitam-piakarany 0,48% ny entana naondran’i Madagasikara raha oharina amin’ny 543,7 tapitrisa dolara izay mifanandrify tamin’io vanim-potoana io, ny taona 2024, raha ny voalaza hatrany. Porofo ireo fa manomboka mihatsara ny sehatry ny fanondranana saingy mbola vitsy ny vokatra malagasy miditra eo amin’ny tsena amerikana.
Mitongilana
Nivoitra tao anatin’ny tatitra fa nitombo 20% ny fanafarana entana nataon’i Madagasikara raha toa 40,7 tapitrisa dolara izany, ny taona 2024. Niantraika mivantana tamin’ny fifanakalozana ara-barotra izay (-1,11%) 503 tapitrisa lasa 497,4 tapitrisa dolara ny zava-misy. Marihina fa firenena voalohany mandray ny vokatra malagasy i Etazonia. Hetsika izay mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny tontolon’ny fandraharahana eto an-toerana. Ity farany izay fanoitra amin’ny fampiroboroboana ny toekarena fa indrindra manome asa eto amin’ny firenena.
Henintsoa




