Nihinana sakafo nivadika : Olona 36 voatery naiditra hopitaly

Sakafo “mayonnaise” nivadika no nitarika ny fahavoazan’ny olona miisa 36 mianaka tao Toliara, araka ny ahiahian’ny mpikarakara ny sakafo. Tafakatra 36 ireo olona lasibatra ka voatery naiditra hopitaly hatramin’ny omaly. Lehilahy, zaza amam-behivavy miisa 36 samy voatery nandalo fitsaboana tao ani­von’ny CHU Tanambao, kaominina Toliara avokoa, hatramin’ny omaly maraina. Nitran­gana fahapoizanana ara-tsakafo tao amin’ny fokotany Betania andrefana, nandritra ny alakamisy voalohan’ny volana janoary teo. Fianaka­viana iray ny ankamaroan’ireo olona ireo ka niara-nanao fety noho ny fahazoana ny taona vaovao. Olon-tokana no niandraikitra ny fikarakarana ny sakafo tamin’io fotoana io. Nampiasa akora vita avy
amin’ny lafarinina toy ny pate niampy fangaro hafa toy ny menaka ny mpikarakara, araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana. Samy nihinana avokoa ireo olona miisa 36 ireo ary nisy hafa saingy tsy voakasika. Nanomboka nitaraina ho narary kibo sy tsy nahazo aina ireo olona ireo ka nisesy ny fitaterana azy ireo teny anivon’ny hopitaly taoriana an’io. Zaza miisa 21 tamin’ireo lasibatra raha toa ka 15 ireo olon-dehibe. Noraisin’ny fanjakana an-tanana avokoa ny fitsaboana ireo marary ireo. Nitsidika ireo marary tao an-toerana ny talem-paritry ny Fahasala­mana Faritra Atsimo Andre­fana sy ny ekipany.

Tsy nisy lany daty
Nanao fanamarinana ny entana nampiasan’ny mpikarakara sakafo nahatonga io voina io ny tomponandraikitra. “Tsy misy lany daty ireo entana nampiasaina”, araka ny fanazavan’ny talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana ao Toliara. Niroso amin’ny fanadihadiana hamatarana ny me­ty ho antony niteraka io fahapoizinana io, ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana. Manahy ilay ramatoa mpikarakara ny sakafo fa mety ho vokatry ny fivadihan’ny “mayonnaise” natao tamin’ ny sakafo no nahatonga io tranga io.

Tsiferana R.

Partager sur: