TSELATRA

Olona telo notanana vonjimaika any am-ponja rehefa nahatrarana entana halatra tao amin’ny fokontany Matiakoho, kaominina Ambilobe, afakomaly. Voasa­ringotra tamin’ny tranga vaky trano niseho ny 29 desambra lasa teo ireo olona ireo. Tratra tao amin’ny tokantrano ny fahitalavitra halatra sy ny fitaovana hafa.

Lehilahy iray namoy ny ainy taorian’ny fialana nenina nataon’ny mpitsabo azy tao Andranomanelatra, Antsirabe II, ny 1 janoary teo. Hitan’ny olona tsara sitrapo niosin-dra teny amin’ny sisin-dalana io lehilahy io, ny marain’ny alakamisy teo. Nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana saingy tsy tanà ny ainy. Ahiana ho vono olona no nitarika ny fahafatesan’ity farany.

Niharan’ny daroka sy vono ny mpanao hala-botry iray saron’ny fokonolona, teny amin’ny fokontany Anka­difotsy Befelatanana, omaly. Nikasa handositra io mpanao ratsy io ary nifanenjehan’ny fokonolona sy ny polisy.

Ankizy 15 taona namoy ny ainy nilatsaham-potaka tao Ambohipeno, kaominina Ambatolampy, distrikan’i Tsiroanomadidy, afakomaly tolakandro tamin’ny 3 ora. Niaraka tamin’ny ray aman-dreniny nanetsa teny an-tsaha io ankizy io. Nialoha lalana azy nody teny an-tanàna ny ray sy reniny raha toa nandroaka omby izy rehefa hariva. Tra-doza teny am-podiana ity farany.

Partager sur: