Tao anatin’ny herinandro vitsy, nahitam-piakarany ny vidin’ny letisia eny an-tsena. Ankehitriny, manomboka amin’ny 2 000 Ar ny kilao raha toa ka efa tafidina tany amin’ny 1 000Ar izany teo aloha. Mitobaka eny an-tsena ihany koa amin’izao fotoana ny vokatra avy any Atsimo atsinanana raha efa mihena ireo letisia avy any amin’ny Faritra atsinanana. Ao Toamasina kosa, vidina 200Ar ny kapoaka ny letisia. Ankilany, miakatra ihany koa ny vidin’ny garaba any an-toerana, ao Brickaville manomboka ny 25 000Ar izany raha efa tafakatra 35 000 Ar izany eto an-dRenivohitra. Marihina fa nitombo ny vokatra letisia tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Tsiahivina fa miisa efatra ny sambo niditra ny vokatra malagasy teo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ny telo nitondra ny letisia tao amin’ny tsena eoropeanina, sambo iray kosa nitondra ny vokatra tany Rosia. Heverina fa hipaka mivantana eo amin’ny sehatry ny toekarena ny fitobaky ny vokatra letisia tamin’ity taona ity noho izy manome asa sy mampidi-bola ny firenena.
Henintsoa




