4×4 tra-doza : Mpivady niara-namoy ny ainy

Nifapisokirana tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy ny mpivady tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, tao amin’ny distrikan’Antanifotsy, ny sabo­tsy 3 janaory teo. Fiara tsy mataho-dalana iray miloko mainty izay nitondra ny fianakaviana kelin’izy mivady ireo. Ankizy ny telo ary izy mivady, araka ny loharanom-baovao. Potika tanteraka ilay fiara tsy mataho-dalana izay nidona tamin’ny lohan’ny kamiao nifanoha-dalana taminy. Nifamon­jena avy hatrany ireo tao anatin’ny fiara rehetra. Nanaosa­ro­tra anefa ny famonjena ireo mpivady satria niforitra tanteraka ny fiara. Voa mafy ilay raim-pianakaviana izay namily ny fiara sy ilay ramatoa vadiny. Tsy tanà ny ainy izy mivady ireo. Nentina nihazo ny tranom-patin’ny HJRA ny nofo mangatsiakan’ireto farany. Ankoatra azy ireo, naratra vokatry ny loza koa, ny zanak’izy mivady miisa telo. Fanta-daza amin’ny sehatry ny fakana sary tao amin’ny tanànan’ Ihosy ilay raim-pianakaviana. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zandarimaria miasa ao Antanifotsy izay toerana ni­trangan’ny loza. Anatin’ny fa­naovana famotorana ny antony nahatonga ny loza izy ireo amin’izao fotoana. Ahina ho nahatonga ny loza ny fandehanana mafy. Tsiahivina, vao ny fiatombohan’ny taona teo, fiara tsy mataho-dalana iray potika tanteraka nifandona tamin’ny kamiao tao Maro­voala­vo, io sabotsy 3 janoary io ihany. Nifampisokirana ny mpamily. Tsy nisy nahiana ny fahasalamany.

Tsiferana R.

Partager sur: