Midangana ny fandanian’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny angovo. Mitentina hatrany amin’ny 1 080 miliara Ar isan-taona ny fatiantoka, araka ny tatitra navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena, antony indrindra mahatonga ity farany nanome fanampiana mitentina 1 270 miliara Ar ny fitondram-panjakana, ny taona 2023. Na izany, mbola ambony ny tahan’ny fampiasana arina fandrehitra eto an-toerana, izay mahatratra 95%, mbola ambony manaraka izay koa ny fiankinan-doha amin’ny fampiasana solika, izay mahatratra 54% ny fandaniana, raha ny voalaza hatrany. Ho an’ny jirama manokana, mahatratra hatrany amin’ny 84 tapitrisa dolara ny tohana nomen’ny Banky iraisam-pirenena ho fanatanterahana ny tetikasa Lead izay mikendry ny fisitrahana herinaratra, fizarana “kits solaires” ary ny fampiofanana ireo Mpiara-miombon’antoka samihafa. Ankoatra izay, vaindohan-draharaha ny fitondrana ny hampiroboroboana ny fisitrahan’ny Malagasy ny angovo. Nivoitra izany nandritra ny lahateny voalohany nataon’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël. Hisy hoy izy ny tetikasa “panneaux solaires” ho an’ny tokantrano tsirairay izay amidy sy azo aloa tsikelikely mandritra ny fito taona ka ny mpiasan’ny Jirama ihany no hametaka ireo takelaka ho an’ireo izay mividy izany. Nasongadiny tao anatin’izany fa efa nitombo 20 MW ny famokarana herinaratra eto Antananarivo taorian’ny fanamboarana ireo milina miisa 3 mpamokatra herinaratra eo anivon’ny Jirama. Miisa 28 ihany koa hoy izy ireo vata mpanova herinaratra efa napetraka eny an-toerana.
Henintsoa




