Natsingevan’ny ranon’i Sisaony : Ankizivavy 14 taona iray hita faty

Nisasa amoron-drano kinanjo nisolifatra tampoka tanaty rano ny ankizivavy iray teny Ampitatafika. Sepotra izy ka namoy ny ainy.

Hita faty natsingevan’ny ranon’i Sisaony, tetsy amin’ny Vosary, fokontany Ambodiafontsy, kaominina ambanivohitra Ampitatafi­ka, ny sabotsy 3 desambra, ta­min’ny 12 ora sy sasany atoandro, ny ankizivavy iray 14 taona. Nam­pandrenesin’ny fokonolona ni­kasika ny zava-misy ny sefo fo­kontany teny an-toerana. Nam­pandre ny zandary miasa eny Faliarivo mahakasika ny tranga indray ity farany taorian’izay. Tonga teny an-toerana avy ha­trany izy ireo, niaraka tamin’ny mpi­tsabo avy amin’ny CSBII Faliarivo taorian’ny antso. Efa nampiakarin’ny fianakaviany teo an-tanety ny razana tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Tsy niala teny an-kodiny ny akanjo rehetra nanaovany sy ny kirarony, tamin’ny fo­toana nahitana ny razana. Tsy nahitana faritra mangana na ratra koa ny vatana mangatsiakany. Maty noho ny fahasemporana tao anaty rano ny antony nahafaty io vehivavy io, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo.

Nibolisatra ka nianjera
Nisasa teo amoron-drano teo amin’ny tetezana Ampita­ta­fi­ka io ankizivavy hita faty io ny 31 desambra tokony tamin’ny 8 ora alina. Nibolisatra anefa izy nandritra izany ka latsaka tao anaty rano. Nisy olona niaraka taminy saingy tampoka ny fitrangan-javatra ka tsy hita intsony ilay ankizivavy. Nikoropa­ka niantso vonjy tamin’ny ma­nodidina izy ary natao natomboka teo ny fikarohana. Napa­ritaka tamin’ny tambajotra an-tserasera ihany koa ny filazana fikarohana momba azy, izay nataon’ny fianakaviany. Tonga teny an-toerana nikaroka io ankizivavy lasan’ny rano io ny vondrona mpamonjy voina saingy tsy nahitam-bokany. Ni­tohy hatrany ny fikarohana ary izao hita faty nentin’ny ranon’i Sisaony izao ny vatana mangatsiakany. Natolotra ny fianakaviany ny razana, taorian’ny fizahana ny razana.

Mino

Partager sur: