Tanambao V-Toamasina : Maty novonoim-badiny ilay ramatoa

Namoy ny ainy novonoin’ny raim-pianakaviana iray ny renin-janany tao amin’ny fokontany Tanambao fahadimy parisela 13/35, kaominina Toamasina, ny marain’ny 2 ja­noary. Raha ny angom-baovao, tonga namangy azy vao maraina tao amin’ny tranon-dRamatoa ity rangahy ity. Nikasa hiarahaba tratry ny taona amin’io vady teo aloha sady renin-janany io ilay rangahy na dia efa nisaraka hatry ny ela aza izy roa. Tsy nanampo na inona na inona, araka izany, ilay raim-pianakaviana ka niditra ny trano. Nahita lehilahy hafa teo ambonin’ny fandrian’ilay ramatoa izy. Nanontany ilay rangahy hoe :”iza io olona io?”, ary namaly ilay ramatoa fa vadiny io miaraka aminy tao am-pandriana io. Efa navelanao efa ela aho ka tsy maintsy nanambady mba hanampy amin’ny fivelomana, araka ny nambaran’ilay ramatoa tamin’ny vadiny. Nangataka hitondra ilay ramatoa teny anivon’ny lehiben’ny fokontany ilay vadiny teo aloha. Hanamafy tokoa ny fisarahan’izy ireo kinanjo notrobaran-drangahy antsy tampoka ny tarehy sy ny faritry ny lohan’io ramatoa vadiny teo aloha io. Nivoaka ny fokonolona sy ny vadiny vaovao saingy efa tsy hita intsony ilay nahavanon-doza. Nentina teny anivon’ny hopitaly io ramatoa io. Tsy tanà ny ainy.

Sajo

Partager sur: