TSELATRA

Lehilahy nikasa hanolan-jaza voasambotry ny mpitandro filaminana tao Port Bergé, nandritra ny lanonan’ny faran’ny taona teo. Narahin’io lehilahy io maso ha­trany ilay zazavavy. Nanamparan’ilay lehilahy herisetra re­hefa hamonjy fodiana.

Vehivavy kilan’ny afo tao an-trano fonenany ny lohany, tao amin’ny fokontany Antaniavo, kaominina Antsi­rabe, ny 1 janoary teo. Nisotro zava-pisotro mahamamo io ramatoa io ary nihidy irery tao amin’ny tranony. Niezaka nanavotr’aina izy ka velona soa aman-tsara.

Lavon’ny zandary ny iray tamin’ireo jiolahy nanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny kaominina Maha­solo, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny 3 janoary lasa teo. Naharay fampandrenesana momba io tranga io, ny mpitandro filaminana ka nanaradia ireo mpanao ratsy. Raikitra ny fifandonana ary lavo ny iray.

Lakana iray rendrika ka olona roa tsy hita popoka nandritra ny loza, tao Vahibe RN5, afakomaly. Nandositra ilay mpitondra ny lakana. Avotra ny ankamaroan’ireo mpandeha.

Partager sur: