Mihena tsikelikely ny delestazy fa olana ara-teknika sisa no misy amin’izao, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, raha nivahiny tao amin’ny fahitalavim-pirenena, omaly. Nividy groupe électrogène hoy izy ny fitondram-panjakana hanohanana ny famokarana herinaratra ao Andekaleka.
Mbola midangana ny vidin’entana eny an-tsena amin’izao fotoana. Mananosarotra ho an’ny ankamaroan’ny tokantrano ny miatrika ny volana janoary, mihena ny fahefa-mividy ny malagasy ka tsy mahatakatra intsony ny vidin’entana sy ny kojakoja ilainy andavanandro.
Mampihena ny fampiasana kitay sy ny fanimbana ny tontolo iainana ary mampidi-bola ny tokantrano ny fampiasana ny fatana kamado. Vokatra vaovao nataona vehivavy iray avy ao Vatovanda Toliara. Nanohana sy nampiofana azy ny WWF ka nahafahany nampianatra




