Vidim-bokatra eny an-tsena: Hamafisina ny fanaraha-maso

Nidina teny amin’ny tsenan’Anosibe ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MCC), nanara-maso sy nanadihady momba ny fiaviana sy ny lalan’ny vary nafarana izay mitobaka eny an-tsena amin’izao fotoana. Tanjona ny hamantarana ny fiavian’ny vary sy ny vidiny sao misy mivarotra fatiantoka ka mahatonga ny olona tsy hanjifa ny vokatra eto an-toerana. Jerena ao anatin’izao ny fidirany eto an-toerana ka hatrany amin’ny famarotana azy eny an-tsena. “Tokony ho fantatra mazava ny fiaviany sy ny lalana nalehan’ireo vary ireo satria misy ahiahy momba ny tsy fahatombanan’ny fidirany eto amin’ny tsena anatiny”, hoy ny tale jeneralin’ny Varotra anatiny sy ny fanjifana, Rakotoson Gilchrist. Anisan’ny olana ateraky ny fitobahan’ny vary nafarana ny fihenan’ny safidin’ny mpanangom-bokatra amin’ny vary akotry vokarin’ny tantsaha eto an-toerana. Manana safidy maro kokoa ny mpanjifa, na amin’ny kalitao na amin’ny vidiny, ka mety hitarika fatiantoka ho an’ny mpamokatra eto an-toerana. Tsy mijanona eto Antananarivo ny hetsika fa hitohy any amin’ireo faritra mpamokatra vary sy sompitra eto Madagasikara toa an’Alaotra Mangoro, Itasy ary Bongolava, mba hahazoana antontan-kevitra marina momba ny antony mampihena ny vidin’ny vary akotry eny amin’ny tantsaha.

Henintsoa

Partager sur: