Miseholany ny fanenjehana ara-pitsarana ny mpanao politika, tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra ankehitriny. Lasibatra ireo niloko volom-boasary sy miaro ny fitondrana nentin’ny Filoha teo aloha Rajoelina Andry. Tsy misy alaharo alaharo fa voasambotra sy voaendaka avy hatrany ny tsy fahafahana manenjika sy misambotra azy ireo. Ry “honorables” na ny depiote izany!
Tsy hidirana lalina ilay disadisa politika sy ny fampiharana ny lalana, raha voaporofo fa manana taratasy maloto tokoa ireny olona ireny. Ny tiana hisarihana ny saina fotsiny dia ny hoe, mandra-paharaoviana isika vao mba hahay hifamela? Tsy misy afaka ny hiteny fa fotsy jopika tsy misy pentina avokoa izay rehetra naka fahefana ireo.
Zava-dehibe, tena ilaina ny fahasahiana manadio sy maka fepetra hentitra tahaka izao. Tokony tsy hanavahana loko politika na firehena anefa. Tsy tokony hikotrehana valifaty sy ho entina manindry izay heverina fa marefo sy tsy afa-manoatra izany. Fanavaozana tena izy, mifototra amin’ ny fo madio sy saina tsy misy ambadimbadika no handrasana. Fa tsy fanomezana fahafaham-po an’olom-bitsy.
Hita taratra fa misy ny tomponandraikitra tena entanim-po, hanao zavatra. Manana finiavana ny hitondra ilay firenena any amin’ny tsara sy fahazavana. Misy ny tsy mitandro hasasarana manao ny fomba rehetra fitaratra ilay firenena amin’ny famahana ny olana isan-karazany. Indrindra ilay kolontsaina mandroba an’i Madagasikara sy manao tantely afa-drakotra azy.
Mendri-piderana ireny, fa tsy tokony ho sembanin’ireo volo mpanoha randrana sy ny mpamosavy malemy. Rehefa samy hihenjana ihany, raha misy any an-dapa na aiza na aiza mitady hanao fandoto iray tandroka, mila sahy mijoro avy hatrany ny tomponandraikitra. Tsy tokony hisy mizana tsindrin’ila!
r.r




