Mahoraka indray aloha ny fanovana governemanta. Raha ny tetiandro miely any rehetra any dia ny faran’ny volana janoary na ny fiandohan’ny volana febroary no handeha izany. Mainka nampahoraka ny fiparitahan’ny vaovao rahateo ny fanombohan’ny fanaovana tombana ireo notendrena sy napetraka ho minisitra. Tapitra ny roa volana voalaza fa hanaovana tombana.
Raha ny zava-misy dia ho raharaha ny ho fanoloana ireo efa nahazo toerana, izay efa mifikitra sahady fa nahazo tsirony. Ny samy anatiny fitondrana anefa, maro ny misisika sy mikirikiry mafy mba handimby sahady ny teo aloha. Tsy mahagaga ny mahita ny fifanaratsiana sy ny fanaparitahana ny tsiambaratelon’ny samy tandapa. Mifanipaka an-karona!
Tsy ny minisitra ihany no tafiditra anatin’ny lasibatry ny fifanenjehana. Ilay Praiminisitra lehiben’ny governemanta mihitsy no lohalisitra. Mamaivay ny ady sisika hanongotana azy amin’ny toerany. Olona izay tsy nisy nanampo ny nahatonga azy teo. Nolazain’ny mpidina an-dalambe sy ny mpaka fahefana fa olona tsy nitolona. Tsy misy ankitsitsy intsony fa mila miala tsotra izao.
Raha ny tsilion-tsofina miely, efa tafiditra amin’ny fitadivana ny praiminisitry ny marimaritra iraisana ny herivelona. Efa misy ny anarana mieliely eny rehetra eny, fa siangy mbola mijanona ho tsiambaratelo izany. Toa efa nankatoavin’ny antoko politika lehibe samihafa izy izany! Nahazo ny tsodranon’ny ray amam-panahy isanisany.
Raha ny feo miparitaka anefa, dia efa olona ampy traikefa sy ankatoavin’ny mpiara-miombon’antoka rehetra izy ity. Asa anefa izay ho fahamarinana? Raha ny zava-misy dia hita fa loko afaka miaraka tsara ihany ny maramara sy ny menamena izay mety hivoahan’ity hoe ho lehiben’ny governemanta vaovao ity. Samia miandry !
r.r




