Mahaizà maka lesona !

 

Toa hafahafa izany ny fivoaran’ilay raharaha manga eto amin’ny tanàna. Tiana asiana tsindrim-peo manokana ny momba ilay fahafahana miteny sy mizara hevitra. Nanaitra ny maheno ireo mpitondra sasany efa nandrangaranga sahady ny lalàna manan-kery amin’ny famaizana sy ny fanenjehana sokajin-keloka izay voalaza fa ana habaka. Fomba fanaon’ny teo aloha, naongana io!
Raha ny fahitana azy aloha, tsy nisy fanovana mivainga izany hita fa ny olona sy ny mpitarika aloha izao no mahabe resabe. Tsy fantatra mazava ny tena tiana hatongavana. Ny asa no efa misy mandroso, noho ny fanohizana ny tetikasan’ny teo aloha. Amin’ny anaran’ilay fitohizan’ny raharaham-panjakana! Misy tena manao be tokoa ilay minisitera aloha.
Asa inona no havoakan’ny herinandro vitsivitsy ho avy eo? Raha ny resabe an-jorony aloha, tena ohatrany hoe dia hisy inona izany! Fampisafotofotoana ny saim-bahoaka anefa no hanasokajian’ny fitondram-panjakana azy. Fanakorontanana sy fikasana hanongam-panjakana mihitsy ny an’ny sasany. tsy mahataitra ny fisamborana sy fitazonana mpanao politika teny amin’ny polisy sy ny zandary.
Tsy azo atao tokoa ny mandrimandry manana aretina. Mila mailo sy malina hatrany amin’ny fahafahana maneho hevitra sy maka fanapahan-kevitra. Ny tampoka tsy maha lehilahy, hoy Ramalagasy. Ny Maharesy ny tampoka kosa no maha lehilahy, hoy ilay bekintana iray izay, raha izy avotra soa aman-tsara tamin’ny fianjeran’ny angidim-by nitondra azy avy tany Toamasina.
Inona no tiana ambara amin’ny famakafakana? Be dia be ny zava-miseho ankehitriny, izay mitady hivaona amin’ny tolona nanonganana ny “forongony”. Maro ny famerenana ny lesoka nataon’ny teo aloha ka mampisafoaka ny mpidina an-dalambe sasantsasany. Tsy azo hamaivanina anefa ny tsikera sy ny fanehoan-kevitra. Zava-dehibe ny mahay maka lesona.

r.r

Partager sur: