Asa aloha raha vazaha mody miady satria izay paikady hitondrana azy, na tena samy mitondra ny lohany izy rehetra. Manahirana mihitsy ny mikirakira ny vaovao sy mitondra izany ho an’ny vahoaka. Mbetika ity, mbetika izaroa. Tena marina raha hay izay tiana hatongavana sy tena marina. Ny mahalasa ny saina anefa dia ireo heverina ho lohandohan’ny mpisorona mihitsy ireto mifandrirondrirotra sy miteny izay tiany ho tenenina. Valalanina amin’ny sangodim-panina ny valala tsy mandady harona.
Fanontaniana matetika averimberin’ny olona ny hoe tetezamita sa tsy tetezamita? Sa tetezamiitatra tsotra izao? Tena tsy hita intsony ny hanazavana azy. Na ny lalàna amaritana azy aza izao tsy hita hoe inona na ahoana? Satria raha tetezamita mbola azo ihoriranana ny fikenonkenonana. Raha hoe fisoloana toerana, araka ny tenin’ny sasany dia efa tokony asa tsy misy resabe amin’ny fikaonandoha na Repoblika faha-V izao.
Ny tiana ifampizarana anio dia tsotra. Tokony hazava sy mangarahara ny serasera. Tsy misy kajikajy ho an’ny tombotsoa manokana fa ilay fanovana rafitra tena andrasana. Lasa fifamitahana faobe no iafaran’ny zava-drehetra raha mitohitohy ny filalaovan-teny sy fomba fiasa sadasadan’ny sasany. Porofo iaraha-mahita manko ny fifanipahan’ny fanehoan-kevitra avy ao anatiny. Samy te ho lohany, samy te hisongadina fa to-teny sy mpitondra teny. Misy mihitsy aza no misalovana ny anjara andraikitra tsy tokony ho azy.
Tsy hiandrasana an-dRakolonely, Filohan’ny Fanavaozana avokoa anefa ny zava-drehetra. Tsy terena hiteny sy hanazava, ary hiaro tena isaky ny mihetsika izy. Efa iaraha-mahalala fa manomboka mamoaka fiteny na firesaka mampisaina rahateo ity manamboninahitra ity. Marina ny azy! Madagasikara no resaka eto. Tanindrazana sy fanavaozana no teny filamatra. Midika asa anaty firaisan-kina izany fa tsy samy samy mandeha, samy mitady. Mila mifanaran-tsaina daholo.
r.r




